Bokin'ny Nomery 16:2
ka nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy izy ireo sy ny Zanak’ Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan’ ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin’ ny fiangonana sady nanan-daza;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 16
Cross References
Genesis 6:4Ny Nefilima nitoetra tambonin’ ny tany tamin’ izany andro izany, sy taorian’ izany koa, raha nivady tamin’ ny zanakavavin’ ny olona ny zanak’ Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
Numbers 12:1Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an’ i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
Numbers 27:3Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan’ ny antokon’ i Kora izay niangona hiodina tamin’ i Jehovah tsy akory; fa matin’ ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
1 Chronicles 12:30Ary tamin’ ny taranak’ i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin’ ny fianakaviany avy.
Ezekiel 23:10Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan’ ireny, ary ny tenany novonoiny tamin’ ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin’ ny vehivavy izy ary efa niharan’ ny fitsarana.