Bokin'ny Nomery 28:3
Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin’ ny afo, izay haterinareo ho an’ i Jehovah: zanak’ ondry roa isan’ andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4(ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),
Read all of Bokin'ny Nomery 28
Cross References
Leviticus 6:9Ary izay sisa amin’ ireny dia hohanin’ i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin’ izay fitoerana masìna anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.
Daniel 8:11Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin’ ny Komandin’ ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan’ andro, ary ny fitoerana masìna noravana.
Daniel 11:31Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masìna, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan’ andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.
Amos 4:4Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;
1 Peter 1:19fa ny rà soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;