Bokin'ny Nomery 3:38
Ary ny mitoby eo anoloan’ ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37ary ny tsangantsangan’ ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
Cross References
Numbers 1:53Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
Numbers 3:7Dia hitandrina ny anjara-raharahan’ i Arona sy ny anjara raharahan’ ny fiangonana rehetra eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
Numbers 3:23Ny fokon’ ny Gersonita dia hitoby eo ivohon’ ny tabernakely, dia eo andrefany.
Numbers 3:35Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ i Merary dia Zoriela, zanak’ i Abihaila; ireo no hitoby eo amin’ ny lafiny avaratra amin’ ny tabernakely.
1 Chronicles 6:48Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Merary araka ny fokony dia tanàna roa ambini ny folo avy tamin’ ny firenen’ i Robena sy ny firenen’ i Gada ary ny firenen’ i Zebolona.