Numbers 33:3
Niala tao Ramesesa Izy tamin’ ny volana voalohany, dia tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany; nony ampitson’ ny Paska no nivoahan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tanana avo teo imason’ ny Egyptiana rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 1:11Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin’ ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an’ i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
Exodus 12:37Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’ Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
Exodus 14:8Ary Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, dia nanenjika ny Zanak’ Isiraely izy, na dia tamin’ ny tanana avo aza no nivoahany.
Isaiah 52:12Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.