bible.software › Bokin'ny Nomery › Bokin'ny Nomery 5 › Bokin'ny Nomery 5:8
Bokin'ny Nomery 5:8
Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin’ ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an’ i Jehovah ka ho an’ ny mpisorona, ho fanampin’ ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But if the man have no kinsman to recompense the trespass unto, let the trespass be recompensed unto the LORD, even to the priest; beside the ram of the atonement, whereby an atonement shall be made for him.
In Context
7dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin’ ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an’ ilay nanaovany diso.
9Ary ny fanatitra rehetra alaina amin’ ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.
Read all of Bokin'ny Nomery 5
Cross References
Leviticus 7:7Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin’ izy roa: ho an’ ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany.
2 Kings 12:16Ary tsy nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky ireo.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'ny Nomery 5:8