Bokin'ny Nomery 9:8
Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian’ i Jehovah ny aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Moses said unto them, Stand still, and I will hear what the LORD will command concerning you.
In Context
9Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Cross References
Exodus 14:13Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Leviticus 24:12ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin’ i Jehovah.
2 Chronicles 20:17Tsy ianareo anefa no hiady amin’ ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’ i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
Psalms 85:8Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.
Ezekiel 2:7Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.
John 7:17Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.