Bokin'ny Ohabolana 12:23
Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon’ ny adala mamoaka fahadalana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
A prudent man concealeth knowledge: but the heart of fools proclaimeth foolishness.
In Context
22Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
24Ny tanan’ ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 12
Cross References
1 Samuel 10:16Dia hoy Saoly tamin’ ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain’ i Samoela ny amin’ ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.
Nehemiah 2:16Nefa ireo mpanapaka tsy nahalala izay nalehako, na izay nataoko; fa hatramin’ izay dia tsy mbola nolazaiko tamin’ ny Jiosy izany, na tamin’ ny mpisorona, na tamin’ ny manan-kaja, na tamin’ ny mpanapaka, na tamin’ ny vahoaka sisa izay nanao ny asa.
Proverbs 10:19Ny teny maro tsy ilaozan’ izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
Proverbs 13:16Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin’ ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
Proverbs 15:2Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana.
Ecclesiastes 10:3Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin’ ny olona rehetra izy fa adala.