Bokin'ny Ohabolana 13:14
Ny fampianaran’ ny hendry dia loharanon’ aina Ka mampivily tsy ho ao amin’ ny fandriky ny fahafatesana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The law of the wise is a fountain of life, to depart from the snares of death.
In Context
13Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.
15Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan’ ny mpivadika.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 13
Cross References
2 Samuel 22:6Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
Psalms 116:3Nihodidina tamiko ny famatoran’ ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho.
Proverbs 10:11Loharanon’ aina ny vavan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.
Proverbs 15:24Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany,
Proverbs 16:17Ny manalavitra ny ratsy no lalamben’ ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.