Bokin'ny Ohabolana 14:22
Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an’ izay manao asa tsara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Do they not err that devise evil? but mercy and truth shall be to them that devise good.
In Context
Read all of Bokin'ny Ohabolana 14
Cross References
Genesis 24:27ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny tompoko; fa izaho dia notantanan’ i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon’ ny havan’ ny tompoko.
2 Chronicles 6:8Nefa hoy Jehovah tamin’ i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an’ ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
Psalms 61:7Halavao ny andron’ ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.
Proverbs 6:14Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
Proverbs 12:26Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
Proverbs 19:22Fifaliana amin’ ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.