Bokin'ny Ohabolana 14:26
Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In the fear of the LORD is strong confidence: and his children shall have a place of refuge.
In Context
25Ny vavolombelona marina mamonjy ain’ olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
27Ny fahatahorana an’ i Jehovah no loharanon’ aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 14
Cross References
Genesis 31:42Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’ i Abrahama, Ilay natahoran’ Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ ny tanako ka nananatra anao halina.
Psalms 112:1Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
Psalms 115:13Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
Proverbs 3:25Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;
Proverbs 19:23Ny fahatahorana an’ i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
Ecclesiastes 7:18Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin’ itsy; fa izay matahotra an’ Andriamanitra dia ho afaka amin’ izany rehetra izany.