Bokin'ny Ohabolana 14:28
Ny fahabetsahan’ ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ny fahatahorana an’ i Jehovah no loharanon’ aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
29Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 14
Cross References
Exodus 1:12Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak’ Isiraely indrindra ny Egyptiana.
2 Samuel 24:3Fa hoy Joaba amin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ ny mason’ ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan’ ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
1 Kings 20:27Ary ny Zanak’ Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak’ Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany.
2 Kings 13:7Fa tsy nisy sisa navelan’ i Jehovah ho an’ i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.