Bokin'ny Ohabolana 14:8
Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ ny adala.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The wisdom of the prudent is to understand his way: but the folly of fools is deceit.
In Context
7Mialà eo anatrehan’ ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
9Ny adala ihomehezan’ ny fanati-panonerana; Fa ao amin’ ny marina no misy fankasitrahana.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 14
Cross References
Psalms 111:10Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Psalms 119:34Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ ny foko rehetra aho.
Psalms 143:8Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
Proverbs 8:20Amin’ ny alehan’ ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ ny lalan’ ny fitsarana marina,
Proverbs 12:5Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ ny ratsy fanahy.
Ecclesiastes 2:16Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin’ ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.