Bokin'ny Ohabolana 14:9
Ny adala ihomehezan’ ny fanati-panonerana; Fa ao amin’ ny marina no misy fankasitrahana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Fools make a mock at sin: but among the righteous there is favour.
In Context
8Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ ny adala.
10Ny fo no mahalala ny fangidian’ ny alahelony; Ary tsy raharahan’ ny olon-kafa ny hafaliany.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 14
Cross References
Job 34:7Aiza moa no misy lehilahy tahaka an’ i Joba, izay manaram-po amin’ ny famingavingana toy ny fisotro rano.
Proverbs 3:4Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao.
Proverbs 10:23Toa laolaon’ ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.
Proverbs 13:15Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan’ ny mpivadika.
Proverbs 30:20Tahaka izany koa no fanaon’ ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
Jude 1:18fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ ny haratsiam-panahiny.