Bokin'ny Ohabolana 15:14
Ny fon’ ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ ny adala mankamamy ny fahadalana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ ny fo mahareraka ny fanahy.
15Ratsy avokoa ny andron’ ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 15
Cross References
1 Kings 3:6Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’ i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin’ ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian’ ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianany tahaka ny amin’ izao anio izao.
Psalms 119:100Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
Proverbs 9:9Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
Proverbs 18:15Ny fon’ ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin’ ny hendry mitady izany.
Isaiah 44:20Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
Acts 17:11Ary ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masìna isan’ andro, na marina izany, na tsia.