Bokin'ny Ohabolana 16:6
Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin’ ny heloka; Ary ny fahatahorana an’ i Jehovah no analavirana ny ratsy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
By mercy and truth iniquity is purged: and by the fear of the LORD men depart from evil.
In Context
7Raha sitrak’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 16
Cross References
Genesis 20:11Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra tokoa amin’ ity tany ity, ka hovonoin’ ny olona aho noho ny amin’ ny vadiko.
Leviticus 25:17Ary aza misy manao sarotra ianareo, fa matahora an’ Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Nehemiah 5:9Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian’ ny jentilisa fahavalontsika?
Job 1:1Nisy lehilahy tany amin’ ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’ Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
Psalms 85:10Eny tokoa, akaikin’ izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran’ ny voninahitra eo amin’ ny tanintsika.
Proverbs 8:13Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’ i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.