Bokin'ny Ohabolana 16:7
Raha sitrak’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
When a man’s ways please the LORD, he maketh even his enemies to be at peace with him.
In Context
8Aleo ny kely omban’ ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin’ ny tsy rariny.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 16
Cross References
Genesis 27:41Ary Esao nanao fo-lentika tamin’ i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’ ikaky, dia hamono an’ i Jakoba rahalahiko aho.
Genesis 32:28Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
2 Chronicles 17:10Ary ny tahotra an’ i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ ny tany manodidina an’ i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin’ i Josafata ireo.
Ezra 8:36Ary ny didin’ ny mpanjaka dia natolony tamin’ ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon’ Andriamanitra.
Jeremiah 15:11Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin’ ny andro ahitan-doza sy amin’ izay andro mahory.
Acts 9:1Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin’ ny mpisoronabe izy