Bokin'ny Ohabolana 16:9
Ny fon’ ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
A man’s heart deviseth his way: but the LORD directeth his steps.
In Context
8Aleo ny kely omban’ ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin’ ny tsy rariny.
10Ny teny marina dia eo amin’ ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 16
Cross References
2 Chronicles 22:7Ary avy tamin’ Andriamanitra ny loza nanjo an’ i Ahazia tamin’ ny nankanesany tany amin’ i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin’ i Jorama mba hitsena an’ i Jeho, zanak’ i Nimsy, izay nohosoran’ i Jehovah handringana ny taranak’ i Ahaba.
Proverbs 16:1Ny fikasan’ ny fo no amin’ ny olona; Fa ny famalian’ ny lela dia avy amin’ i Jehovah.
Proverbs 20:24Avy amin’ i Jehovah ny dian’ ny olona, Ary hataon’ izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
Proverbs 21:30Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.
Jeremiah 10:23Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ ny mpandeha ny hahalavorary ny diany