Bokin'ny Ohabolana 2:6
Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin’ ny vavany no ihavian’ ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For the LORD giveth wisdom: out of his mouth cometh knowledge and understanding.
In Context
7Izy mitahiry fanambinanaho an’ ny mahitsy Sady ampingan’ izay mandeha tsy misy tsiny;
Read all of Bokin'ny Ohabolana 2
Cross References
Exodus 31:3ary efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa:
1 Kings 3:12dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao.
1 Kings 10:24Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan’ i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon’ Andriamanitra tao am-pony.
Ezra 7:25Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’ Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin’ ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn’ Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Job 12:16Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
Psalms 19:7Any amin’ ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ ny hafanany.