Bokin'ny Ohabolana 28:14
Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Happy is the man that feareth alway: but he that hardeneth his heart shall fall into mischief.
In Context
13Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
15Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin’ ny olona reraka.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 28
Cross References
Exodus 7:22Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin’ ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Exodus 14:23Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ ny ranomasina, dia ny soavalin’ i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
Psalms 2:11Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fahatahorana, ary mifalia amin’ ny fangovitana.
Psalms 95:8Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin’ ny andro tao Masa fony tany an-efitra,
Proverbs 23:17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro;
Ecclesiastes 8:12Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.