Bokin'ny Ohabolana 29:16
Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
When the wicked are multiplied, transgression increaseth: but the righteous shall see their fall.
In Context
15Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
17Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian’ ny fanahinao.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 29
Cross References
Psalms 37:34Miandrasa an’ i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.
Psalms 58:10Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
Psalms 92:9Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
Psalms 112:8Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin’ ny mpandrafy azy.
Revelation 15:4Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masìna, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.