Bokin'ny Ohabolana 6:26
Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan’ ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin’ ny vadin’ ny olona no mihaza ny aina soa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin’ ny hodimasony izy.
27Mahatondra afo ao an-tratran’ akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
Read all of Bokin'ny Ohabolana 6
Cross References
Genesis 39:7Ary taorian’ izany ny vadin’ ny tompony nanopy ny masony hijery an’ i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko.
1 Samuel 2:36Ary ho avy izay sisa rehetra amin’ ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan’ ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
Proverbs 7:23Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin’ ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
Proverbs 29:8Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.
Ezekiel 13:18ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin’ ny famavanin’ ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin’ ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin’ ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo!
Luke 15:30fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’ omby nafahy ianao.