Bokin'ny Salamo 1:6
Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For the LORD knoweth the way of the righteous: but the way of the ungodly shall perish.
In Context
Cross References
1 Samuel 2:9Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin’ ny maizina; fa tsy amin’ ny hery no handresen’ ny olona.
Psalms 9:6Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
Psalms 112:10Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ ny ratsy fanahy.
Psalms 142:3Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.
Psalms 146:9Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa.
Proverbs 15:9Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny lalan’ ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.