Bokin'ny Salamo 146:9
Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
10Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin’ ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
Read all of Bokin'ny Salamo 146
Cross References
Exodus 22:21Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.
Deuteronomy 16:11ary mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
2 Samuel 17:23Ary nony hitan’ i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin’ ny fasan-drainy.
Esther 7:10Ary Hamana dia nahantony tamin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana an’ i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran’ ny mpanjaka.
Job 5:12Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan’ ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
Psalms 18:26Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;