Bokin'ny Salamo 103:1
Nataon’ i Davida. Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masìna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Bless the LORD, O my soul: and all that is within me, bless his holy name.
In Context
2Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
Read all of Bokin'ny Salamo 103
Cross References
Psalms 57:7Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Sela.]
Psalms 86:12Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
Psalms 103:22Misaora an’ i Jehovah, ny asany rehetra eran’ ny fanjakany; Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko.
Psalms 111:1Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe.
Psalms 145:1Fideran’ i Davida. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.
Isaiah 6:3Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masìna, masìna, masìna Jehovah, Tompon’ ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.