Bokin'ny Salamo 105:41
Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin’ ny tany maina ho renirano.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He opened the rock, and the waters gushed out; they ran in the dry places like a river.
In Context
40Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
42Fa nahatsiaro ny teniny masìna Sy Abrahama mpanompony Izy,
Read all of Bokin'ny Salamo 105
Cross References
Exodus 17:6Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason’ ny loholon’ ny Isiraely.
Nehemiah 9:15ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin’ ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy.
Psalms 78:16Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
Psalms 114:8Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.
1 Corinthians 10:4ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.