Bokin'ny Salamo 107:34
Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian’ ny mponina eo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
A fruitful land into barrenness, for the wickedness of them that dwell therein.
In Context
33Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
35Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
Read all of Bokin'ny Salamo 107
Cross References
Genesis 13:10Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’ i Jordana hatrany akaikin’ i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ ny nandravan’ i Jehovah an’ i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’ i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
Genesis 14:3Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan’ i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
Deuteronomy 29:23dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin’ ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan’ izao fahatezerana lehibe izao?
Isaiah 32:13Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin’ ny oloko, eny, na dia ny ao amin’ ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
Jeremiah 12:4Mandra-pahoviana no hisaonan’ ny tany sy hahalazoan’ ny ahitra any amin’ ny saha rehetra? Noho ny faharatsian’ ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
Ezekiel 47:11Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.