Bokin'ny Salamo 107:5
Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Hungry and thirsty, their soul fainted in them.
In Context
4Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
6Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny;
Read all of Bokin'ny Salamo 107
Cross References
Exodus 17:3Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
1 Samuel 30:11Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin’ i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.
Isaiah 44:12Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin’ ny arina izy ary manamboatra azy amin’ ny tantanana sy miasa azy amin’ ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.
Lamentations 2:19Mitsangàna, miantsoantsoa amin’ ny alina hatramin’ ny filatsahan’ ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan’ ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an’ ny ain’ ny zanakao madinika, izay anan’ ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.