Bokin'ny Salamo 109:14
Aoka hotsarovan’ i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin’ ny taranaka mandimby ny anarany.
Read all of Bokin'ny Salamo 109
Cross References
Exodus 20:5Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;
Leviticus 26:39Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
2 Samuel 21:1Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ ny andron’ i Davida, ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ ny taranak’ i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.
2 Kings 8:27Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa vinanton’ ny taranak’ i Ahaba ihany izy.
2 Kings 10:13dia nifanena amin’ ny rahalahin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin’ i Ahazia izahay ary midìna mba hamangy ny zanakalahin’ ny mpanjaka sy ny zanakalahin’ ny andriambavy.
2 Chronicles 22:3Nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy.