Bokin'ny Salamo 109:7
Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
When he shall be judged, let him be condemned: and let his prayer become sin.
In Context
6Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.
8Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan’ olon-kafa ny anjara raharahany.
Read all of Bokin'ny Salamo 109
Cross References
2 Samuel 15:7Ary nony afaka efa-polo taona, dia hoy Absaloma tamin’ ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin’ i Jehovah.
Proverbs 21:27Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy.
Isaiah 1:15Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran’ olona ny tananareo.
Matthew 23:13Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
Galatians 3:10Fa izay rehetra amin’ ny asan’ ny lalàna dia eo ambanin’ ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna.