Bokin'ny Salamo 11:4
Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon’ ny marina atao?
Read all of Bokin'ny Salamo 11
Cross References
Exodus 40:34Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
2 Chronicles 16:9Fa ny mason’ i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin’ izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’ izao.
Psalms 2:4Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
Psalms 14:2Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra.
Psalms 33:13Eny an-danitra no itsinjovan’ i Jehovah, mijery ny zanak’ olombelona rehetra Izy;
Psalms 44:21Raha nanadino ny anaran’ Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin’ ny andriamani-kafa,