Bokin'ny Salamo 14:2
Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 14
Cross References
Genesis 6:12dia hitan’ Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin’ ny tany.
Genesis 18:21hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.
2 Chronicles 30:19izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan’ ny fitoerana masìna aza izy.
Psalms 11:4Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.
Psalms 69:32Fa ho sitrak’ i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr’ ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.
Psalms 92:6Jehovah ô, akory ny halehiben’ ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.