Bokin'ny Salamo 118:14
Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The LORD is my strength and song, and is become my salvation.
In Context
13Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
Read all of Bokin'ny Salamo 118
Cross References
Exodus 15:2Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.
Psalms 27:1Nataon’ i Davida. Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako?
Isaiah 45:17Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’ i Jehovah Amin’ ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
Matthew 1:21ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany.