Bokin'ny Salamo 119:53
Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin’ ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Horror hath taken hold upon me because of the wicked that forsake thy law.
In Context
52Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
54Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin’ ny trano fivahiniako.
Read all of Bokin'ny Salamo 119
Cross References
Ezra 9:14fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin’ ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory?
Nehemiah 5:6Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.
Psalms 89:30Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ ny lanitra.
Psalms 119:158Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
Daniel 4:19ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin’ ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin’ ny faran’ ny tany.
Luke 19:41Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy