Bokin'ny Salamo 119:59
Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin’ ny teni-vavolombelonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I thought on my ways, and turned my feet unto thy testimonies.
In Context
58Mifona aminao amin’ ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
60Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin’ ny fitandremana ny didinao.
Read all of Bokin'ny Salamo 119
Cross References
Jeremiah 8:4Ary koa, lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina? Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?
Lamentations 3:40Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah.
Ezekiel 18:30Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin’ ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
Ezekiel 33:19Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin’ izany izy.
Haggai 1:5Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.
Luke 15:17Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain’ ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!