Bokin'ny Salamo 119:98
Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou through thy commandments hast made me wiser than mine enemies: for they are ever with me.
In Context
97Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
99Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
Read all of Bokin'ny Salamo 119
Cross References
Deuteronomy 4:6Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
1 Samuel 18:5Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin’ izay rehetra nanirahan’ i Saoly azy; ka dia nataon’ i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan’ ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon’ i Saoly koa.
1 Samuel 18:30Ary ireo andrianan’ ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon’ i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.
Psalms 119:30Ny lalàn’ ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
Proverbs 2:6Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin’ ny vavany no ihavian’ ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
Colossians 3:16Aoka ny tenin’ i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’ Andriamanitra.