Bokin'ny Salamo 129:1
Fihirana fiakarana. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Many a time have they afflicted me from my youth, may Israel now say:
In Context
2Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.
Read all of Bokin'ny Salamo 129
Cross References
Exodus 1:11Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin’ ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an’ i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
Exodus 1:14ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ ny fanompoana mafy, dia tamin’ ny feta sy ny biriky mbamin’ ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.
Exodus 5:7Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.
Judges 3:8Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.
1 Samuel 13:19Ary teny amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo.
Psalms 88:15Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?