Bokin'ny Salamo 129:5
Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an’ i Ziona
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Let them all be confounded and turned back that hate Zion.
In Context
4Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon’ ny ratsy fanahy Izy.
6Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;
Read all of Bokin'ny Salamo 129
Cross References
Nehemiah 6:16Ary rehefa ren’ ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany.
Esther 9:5Ary nasian’ ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin’ izay nankahala azy izy.
Psalms 71:13Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.
Psalms 122:6Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;
Isaiah 29:8Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
Isaiah 37:28Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.