Bokin'ny Salamo 131:1
Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 131
Cross References
Deuteronomy 17:20mba tsy hiavonavonan’ ny fony amin’ ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ ny lalàna, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba ho maro andro amin’ ny fanjakany eo amin’ ny Isiraely; izy sy ny taranany.
1 Samuel 16:18Dia namaly ny anankiray amin’ ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin’ ny zanak’ i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
1 Samuel 17:15fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin’ i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
1 Samuel 18:23Ary ny mpanompon’ i Saoly nilaza izany teny izany tamin’ i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton’ ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
Job 42:3Iza no mahatakona ny fisainanao amin’ ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
Psalms 101:5Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;