Bokin'ny Salamo 135:9
Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Dia Ilay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, Na olona, na biby.
10Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
Read all of Bokin'ny Salamo 135
Cross References
Exodus 7:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an’ i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.
Deuteronomy 6:22Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin’ ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
Psalms 78:12Teo anatrehan’ ny razany no nanaovany fahagagana tany amin’ ny tany Egypta, dia tany amin’ ny tany lemak’ i Zoana.
Psalms 105:27Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama.
Isaiah 51:9Mifohaza, mifohaza, ry sandrin’ i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ ny andro fahiny! dia tamin’ ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona?
Acts 7:36Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin’ ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.