Bokin'ny Salamo 136:1
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
O give thanks unto the LORD; for he is good: for his mercy endureth for ever.
In Context
2Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Read all of Bokin'ny Salamo 136
Cross References
1 Chronicles 16:41ary naman’ ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Chronicles 7:6Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon’ i Jehovah, izay nataon’ i Davida mpanjaka hiderana an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain’ i Davida nidera an’ Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo.
Ezra 3:11Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin’ ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an’ i Jehovah, satria vita ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah.
Psalms 103:17Fa ny famindram-pon’ i Jehovah dia hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’ izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ ny taranaka.
Psalms 106:1Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Psalms 118:1Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.