Bokin'ny Salamo 136:6
Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
To him that stretched out the earth above the waters: for his mercy endureth for ever.
In Context
5Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
7Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Read all of Bokin'ny Salamo 136
Cross References
Genesis 1:9Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin’ ny lanitra ho eo amin’ ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
Job 37:18Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
Psalms 104:2Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
Isaiah 42:5Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’ izay mandeha eo aminy:
Jeremiah 10:12Dia Ilay nanao ny tany tamin’ ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ ny fisainany.
2 Peter 3:5Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra,