Bokin'ny Salamo 138:5
Eny hihira ny amin’ ny lalan’ i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Yea, they shall sing in the ways of the LORD: for great is the glory of the LORD.
In Context
4Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany, Fa handre ny tenin’ ny vavanao izy.
6Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.
Read all of Bokin'ny Salamo 138
Cross References
Exodus 15:11Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’ izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ ny fahamasinana, deraina amin’ ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?
Psalms 21:5Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
Isaiah 52:7Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Isaiah 66:10Miaraha mifaly amin’ i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,
Zephaniah 3:14Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.
Matthew 21:5Lazao amin’ i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa.