Bokin'ny Salamo 139:23
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Search me, O God, and know my heart: try me, and know my thoughts:
In Context
22Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
24Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin’ ny lalana mandrakizay aho.
Read all of Bokin'ny Salamo 139
Cross References
Deuteronomy 8:16Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;
Psalms 11:4Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.
Psalms 17:3Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin’ ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro.
Psalms 139:1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.
Jeremiah 11:20Nefa, ry Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
Malachi 3:2Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ ny mpandrendrika sy ny savonin’ ny mpanasa lamba.