Bokin'ny Salamo 146:10
Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin’ ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The LORD shall reign for ever, even thy God, O Zion, unto all generations. Praise ye the LORD.
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 146
Cross References
Exodus 15:18Jehovah hanjaka mandrakizay doria.
Psalms 145:13Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.
Isaiah 9:7Ny Tompo mandefa teny ho an’ i Jakoba, ka mihatra amin’ ny Isiraely izany.
Isaiah 40:9Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
Daniel 2:44Ary amin’ ny andron’ ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’ olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
Daniel 7:14Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.