Bokin'ny Salamo 147:6
Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The LORD lifteth up the meek: he casteth the wicked down to the ground.
In Context
5Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
7Mihirà fiderana ho an’ i Jehovah; Mankalazà an’ Andriamanitsika amin’ ny lokanga,
Read all of Bokin'ny Salamo 147
Cross References
1 Samuel 2:8Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin’ ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin’ ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an’ i Jehovah ny andrin’ ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.
Psalms 37:11Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny fiadanana.
Psalms 55:23Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Psalms 145:14Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
Psalms 149:4Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.