Bokin'ny Salamo 25:18
Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Look upon mine affliction and my pain; and forgive all my sins.
In Context
17Ny fahorian’ ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ ny fahatereko aho.
19Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
Read all of Bokin'ny Salamo 25
Cross References
2 Samuel 16:12Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin’ ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.
Psalms 32:5Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin’ i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. [Sela.]
Psalms 119:132Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran’ izay tia ny anaranao.
Psalms 132:1Fihirana fiakarana. Jehovah ô, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra,
Lamentations 5:1Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
Luke 1:25Izao no nataon’ ny Tompo tamiko tamin’ ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin’ ny olona.