Bokin'ny Salamo 30:4
Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’ izay midìna any an-davaka aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Sing unto the LORD, O ye saints of his, and give thanks at the remembrance of his holiness.
In Context
3Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
5Mankalazà an’ i Jehovah, ry olony masìna, ka miderà ny anarany masìna.
Read all of Bokin'ny Salamo 30
Cross References
1 Samuel 2:6Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana.
Psalms 28:1Nataon’ i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangìna amiko Hianao, dia ho tahaka izay midìna any an-davaka aho.
Psalms 50:5Angony etỳ amiko ny oloko masìna izay manao fanekena amiko amin’ ny fanatitra.
Psalms 97:12Mifalia amin’ i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masìna.
Psalms 107:20Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin’ ny longoa nianjerany.
Psalms 135:19Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ Isiraely; Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Arona;