Bokin'ny Salamo 33:14
Eo amin’ ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ ny tany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
From the place of his habitation he looketh upon all the inhabitants of the earth.
In Context
13Eny an-danitra no itsinjovan’ i Jehovah, mijery ny zanak’ olombelona rehetra Izy;
15Dia Izy Mpamorona ny fon’ izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
Read all of Bokin'ny Salamo 33
Cross References
1 Kings 8:30Ary henoy ny fifonan’ ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.
1 Kings 8:43dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon’ ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ ity trano nataoko ity.
Psalms 113:6Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
Isaiah 57:15Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masìna no anarany: Ao amin’ ny fitoerana avo sy masìna no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo;
Jeremiah 32:19lehibe amin’ ny fisainana sy mahery amin’ ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan’ ny zanak’ olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany,
Luke 11:2Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.