Bokin'ny Salamo 33:16
Tsy misy mpanjaka voavonjin’ ny hamaroan’ ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ ny haben’ ny heriny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
There is no king saved by the multitude of an host: a mighty man is not delivered by much strength.
In Context
15Dia Izy Mpamorona ny fon’ izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
17Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben’ ny heriny.
Read all of Bokin'ny Salamo 33
Cross References
Exodus 14:17Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon’ ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
Joshua 11:4Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.
Judges 7:2Ary hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
Judges 7:12Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
1 Samuel 14:8Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin’ ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
1 Samuel 17:45Fa hoy kosa Davida tamin’ ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin’ ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.