Bokin'ny Salamo 37:28
Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masìna; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.
29Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay
Read all of Bokin'ny Salamo 37
Cross References
Exodus 20:5Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;
Job 27:14Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an’ ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
Psalms 21:10Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin’ ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin’ ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
Psalms 37:40Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
Psalms 92:13Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;
Proverbs 2:22Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.